tamin’ny hetsika fanakorontanana nokasaina natao teto an-drenivohitra ny alahady 1 mey 2016.
Sarona tao anatin’ny findain’izy ireo ny soratra maro sosona (SMS) maromaro nifanaovana tamina manamboninahitra iray, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana rehetra manodidina ity raharaha ity moa ny Emmo. Reg amin’izao fotoana, ary misy ireo anarana efa voatonontonona sy ahiahiana.
Re indray koa anefa izao, araka ny fivoriana nataon’ireto mpitarika korontana eto an-drenivohitra ireto omaly, fa misy karana izany, hono, vonona hamatsy vola ny hetsika. Inona moa izany fa ny zava-nitranga tamin’ny 2009 mihitsy no tian’ireo mpanongam-panjakana haverina. Nisy anarana karana roalahy nalaza tamin’izany fotoana fa namatsy vola ireo miaramila niara-dia tamin’ny mpanongam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina. Voalaza tamin’izany andro fa nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ampihi-mamba ny fandraharahana teo amin’ny PPN. Ireto karana ireto anefa no nanjaka tokana nandritra ny Tetezamita.
Nampiteny ny anarany teto an-drenivohitra mihitsy ny mpitarika ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) nandritra ny Tetezamita. Fisamborana sy fisetrasetrana avy hatrany no nataon’ny FIS tamin’ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, niarovana ireo mpanongam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina teo amin’ny toerany dia izao miverina mampiteny ny anarany izao indray.
Légende:Faritra mena arahin’ny mpitandro ny filaminana maso akaiky ny eny Ambohipo, Mandroseza sy Andohanimandroseza
Rabri
Asa fanakorontanana
Karana no mpamatsy vola ?
Voasambotry ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny faritra manodidina an’i Mandroseza ireo olona mpizara vola mifandraika tamin’ny hetsika fanakorontanana nokasaina natao teto an-drenivohitra ny alahady 1 mey 2016. Sarona tao anatin’ny findain’izy ireo ny soratra maro sosona (SMS) maromaro nifanaovana tamina manamboninahitra iray, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana rehetra manodidina ity raharaha ity moa ny Emmo. Reg amin’izao fotoana, ary misy ireo anarana efa voatonontonona sy ahiahiana.

&
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.