Actualités

Voalaza ho nanao aferana andramena «Aiza ny zon’olombelona !», hoy ny havan’i Mohamad Amhad


  • Alakamisy 04 Aogositra 2011


  Manoloana ny fanelezana sy fampisehoana tsy ankiato ny sarin’i Mohamad Amhad amin’ny haino aman-jery isan’andro dia mitaraina ny fianakaviany, indrindra ny zanany sy ny renin-janany. «Tahaka ireo olona efa voaheloka avy amin’ny fitsarana mihitsy no anaovana ny havanay. Tsy hilaza izahay fa tsy meloka izy na meloka saingy tokony hojeren’ny fanjakana ihany ny zonay fianakaviany. Io izao ny zanany lahy vao 9 taona hatramin’ny nivoahan’iny resaka iny tamin’ny televiziom-panjakana dia tsy mety mivoaka ny trano sy mifanerasera amin’ny olona intsony ilay zaza. Tratry ny horohoro ara-tsaina mihitsy izy. Ny fangatahanay dia mba hatao tahaka ny taratasin’ady rehetra eny amin’ny fitsarana ity raharaha mahavoakasika azy ity. Na ireo olona voarohirohy ho nanolana ny zanany na ny zana-badiny mbola zaza aza mbola takonana ny masony. Noho izany mbola azo lazaina fa tsy manan-tsiny ny havanay hatreto. Na izany aza, tokony mba hoheverina ihany koa ny aminay havany fa na inona antony na inona tsy tokony hisy fiantraikany aty aminay tahaka izao ny zavatra ataon’ny mpanao famotorana», hoy Rtoa Chantal renin-janak’i Mohamad Amhad.

Tamin’ny 7 jolay no nanomboka namoaka ity filazana fikarohana miaraka amin’ny sary ity ny eo anivon’ny televiziom-panjakana sy ireo fahitalavitra tsy miankina sasany. Tsy mitsahatra manontany izay misy ny rainy ihany koa i Mohamad Fitia Othman zanany hatramin’izay.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT