Actualités

Voahangy Rajaonarimampianina Fa mankaiza foana ?


  • Alarobia 04 Mey 2016

Efa herinandro latsaka kely izay no nitrangan’ilay loza mahatsiravina nahafatesana olona 12 tamin’ny taksibe izay ankizy ny ankamaroany.

 

 Tsy re feo anefa hatramin’izao ny vadin’ny filoham-pirenena Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina. Izy no renin’ny Malagasy rehetra, izy rahateo renim-pianakaviana ka tokony hahafantatra tsara ny ngidin’izany maty anaka izany.

Tonga teny amin’ny CHU-JRA nitarika ny delegasiona avy amin’ny governemanta ny zoma 29 aprily hariva ny filoham-pirenena, saingy nandeha irery tsy nombam-bady. Ny ampitso rehefa nisesy nitsidika ireo niharam-boina teny amin’ny hopitaly sy namangy ireo mana-manjo ny manampahefana isan-tsokajiny sy fikambanana maro samihafa, nisy olon-tsotra ihany koa, tsy tazana ihany Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina, tahaka izany ny sabotsy sy alahady. Nanomboka velom-panontaniana ny rehetra ny alatsinainy, fa tsy fanta-dRamatoa Voahangy ve ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona teny amin’ny digue sy teny Mahitsy no tsy hita popoka izy ? Tsy nisy ihany koa ny fampitam-baovao ofisialy nilaza fa nandefa solontena nijery ireo niharam-boina ny vadin’ny filoham-pirenena. Manomboka maha be resaka ity tsy fahitana matetika an-dRamatoa Voahangy ity eo anilan’ny vadiny amina fotoan-dehibe na fotoana miavaka ity. Ny tsy fisehoany taorian’iny loza nahafatesana ankizy mpianatra iny dia toa vao miha nanaporofo ny ahiahin’ny maro fa tena variana amina zavatra hafa mihitsy ity vadin’ny filoham-pirenena ity ka dia tsy manam-potoana firy atokany hifampiseraserana amin’ny Malagasy sy hanaovana asa soa. Tsy misy moa ny vaovao ofisialy. Fantatra kosa anefa fa matetika mandeha any ivelany Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina. Miandry mangarahara ny amin’ny tena anton-diany marina ny rehetra. Miasa ve ? Mitsabo tena ve ? Mikarakara ny zanany ve ? Miantsena ve sa manao vakansy ? Volam-panjakana ve no laniany any ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT