Actualités

Voafonja voatsara ao Antanimora “Manantena famotsoran-keloky ny filoham-pirenena”


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Efa misy ny politikam-panjakana mikasika ny atao hoe “réinsertion sociale des personnes détenues” na famerenana ireo voafonja anaty fiarahamonina saingy mbola heverintsika ho ratsy foana matetika ny voafonja,

hoy Lalaina Harimanana Ratsizafy, lehiben’ny sampana fanarenana sy fiaraha-miombon’antoka ao amin’ny fonjan’Antanimora. Manomana sahady ireo voafonja ireo izahay mpandraharahan’ny fonja hiverina eny amin’ny fiarahamonina mandritry ny fotoana hamonjana azy, hoy izy. Ao ny famerenana amin’ny lafiny sosialy. Ao ny famerenana amin’ny lafiny ekonomika. Misy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fampianarana ara-kasa omenay ireo voafonja ireo, isany ny fampianarana taovolo, mandrary, manjaitra sy ny maro. Ho an’ireo zazalahikely tsy ampy taona moa dia tena misy fampianarana arahany mihitsy. Na dia ampianarina izany rehetra izany anefa aza izy ka mivoaka ato dia mitady asa saingy tsy misy manome dia indraindray isika fiarahamonina mihitsy no mampirisika azy hamerina ny heloka nataony satria tsy maintsy mitady izay hohaniny izy. Anjara andraikitry ny olompirenena tsy an-kanavaka, noho izany, fa tsy ny mpiantsehatra anaty fonja ihany no manampy ireo voafonja hiverina anaty fiarahamonina. Manao antsoavo amin’ireo fianakavian’ny voafonja hahazo ny famotsoran-keloky ny filoham-pirenena na “grâce présidentielle” aho raha toa ka hisy izany. Mora tohina ireo olona ireo rehefa tafaverina any aminareo any ka mila anareo mahay mandray azy. Mila anareo manakatra ny mahazo azy. Omeo toky izy ireo hoe mbola havanareo. Manantena izany famotsoran-keloka izany daholo ny voafonja voatsara rehetra saingy miankina amin’ny fanjakana foibe moa ny mamaritra ny tokony hahazo izany. 60 taona izao no zokiny indrindra amin’ireo vehivavy voafonja. Ny vehivavy maherin’ny 60 taona nahavita ny atsasan-tsaziny tamin’ny volana jona tsinona izao no nahazo famotsoran-keloka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT