Actualités

Virapin Ramamonjisoa Tohina rehefa nesorina ?


  • Alarobia 30 Martsa 2011


Araka ny loharanom-baovao dia nalahelo mafy tamin’ny fanalana azy tsy ho minisitry ny fanatanjahantena intsony i Virapin Ramamonjisoa. Fantatra mantsy fa hatramin’ny ora farany dia mbola nanantena fa voatazona teo amin’ny toerany izy. Ora vitsy nialoha ny fanambarana ny anaran’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta vaovao vao nampahafantarina ity minisitra teo aloha ity fa tsy izy intsony.

Tezitra mafy noho izany izy, araka ny tsiliantsofina, ary nahalaza mihitsy tamin’ireo olona akaiky azy fa hanao mpanohitra manomboka izao (?) Ny tsikaritra dia avy hatrany dia niditra birao tao amin’ny Place Goulette Ambohijatovo i Ndremanjary Jean André, minisitra mpandimby toerana, ary nandray ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenen’ny volley-ball izay nandalo teto. Nampametra-panontaniana ny maro ny hoe inona ny anton’izany sa tsy hisy ny famindram-pahefana eo amin’ny roa tonta ? Ny anio no hilaza ny marina.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT