Actualités

Virapin Ramamonjisoa Nampiesona an’i Fianarantsoa


  • Alarobia 02 Aprily 2014

Nametra-pialana tsy ho solombavambahoaka intsony i Virapin Ramamonjisoa izay voafidy tamin’ny anaran’ny MAPAR tao Fianarantsoa I.

 Izy moa dia voatendry ho «Consul Général de Madagascar» atsy amin’ny nosy La Réunion tamin’ny 18 aprily 2012. Na dia voafidy solombavambahoaka aza izy farany teo dia tsy nametra-pialana tamin’io andraikiny hafa io. Mazava tsara anefa ny ambaran’ny andininy faha-71 ao amin’ny lalàmpanorenana fa tsy azo ampiarahana amina asa na andraikitra hafa ankoatra ny asa fampianarana ny maha solombavambahoaka. Tsy maintsy nisafidy i Virapin Ramamonjisoa koa dia naleony nametra-pialana teny amin’ny Antenimieram-pirenena ary hisahana ihany ny asa maha diplaomaty azy atsy La Réunion.

Safidy ny azy ary malalaka hisafidy izay hitany fa mety aminy ny olona tsirairay. Ny manahirana amin’ity resaka ity anefa dia ilay endrika filalaovana tsotra izao ny safidim-bahoaka, na tena famitahana ny vahoaka mpifidy mihitsy aza. Nanome toky, nampanantena ery tany amin’ny propagandy, lany tamin’ny fifidianana, ary mbola nilokaloka tamin’ny fotoana nisehoany voalohany tamin’ny vahoakan’i Fianarantsoa taorian’ny nahavoafidy azy, dia io fa mametra-pialana indray. Efa azony antoka ve fa voatana amin’io toerany ao La Réunion io izy no anton’ny safidy, sa antony ara-bola ? Be karama lavitra noho ny depiote mantsy ny «Consul Général» any ivelany any.

Sa tahotra ny hifandona amin’i Pety Rakotoniaina ? Mpifaninana ara-politika mantsy ny roa tonta. Sa tahotra sao mitohy ity fifandiran’ny filoham-pirenena amin’ny MAPAR ity, ka hitarika amin’ny fandravana ny Antenimieram-pirenena, ka dia aleo fikirina izay azo fikirina ? Na izany aza tsy dia atao mahagaga ary tsy naharototra ny olona ny tranga tahaka izao satria efa fomban’ny mpiaradia tamin’i Andry Rajoelina io mitranga mihemotra io. Manomboka izao izany dia Ratovoson Manoelina Hery indray no solombavambahoaka MAPAR ho an’i Fianarantsoa I, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly, taorian’ny taratasy milaza fahabangan-toerana ao Tsimbazaza nataon-dRtoa Razanamahasoa Christine ny 25 martsa teo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT