Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny kaominina ambanivohitra
Vinanivao, distrikan’Antalaha ny 24 novambra lasa teo. Renim-pianakaviana iray no namono nahafaty tamin'ny fomba feno habibiana ny zanany vavy iray vao 10 taona monja. Tao Anaborano, Fokontanin’i Masoalâ no nitrangan’izany. Rehefa nosamborin’ny zandary sy natao famotorana ity reny nahavanon-doza ity dia nambarany fa tsy manam-bady izy nefa mamelona ny zanany roa ka tsy harany intsony izany.Raha araka ny fantatra anefa dia anisan'ireo nahazo fanampiana tamin'ny fitondram-panjakana hatrany izy saingy manana fitondran-tena tsy mendrika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.