Actualités

Vidy Varotra Nankasitraka ireo mpivaro-gazety rehetra


  • Alatsinainy 31 Martsa 2014

Ny masoandro maty no nampalahelo tetsy amin’ny Dome RTA Ankorondrano ny sabotsy 29 martsa 2014 lasa teo.

 Fotoana natokan’ny orinasa Vidy Varotra nankasitrahana manokana ireo mpivarotra gazety rehetra teto Antananarivo niara-niasa sy nifampatoky taminy tao anatin’izay folo taona nisiany izay tamin’io, ary nanamafisana izay fiaraha-miasa sy fifampitokisana izay ho an’ny folo taona ho avy. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana niaraka tamin’ny finday vaovao sady raitra, nisy koa fisarihana nahazoana tapakila ahafahana mijery maimaimpoana ny fampisehoana hataon’ny tarika AmbondronA eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny alahady 06 aprily ho avy izao.

Fa ny tena nanamarika ny fotoana dia ny nanoloran’ny orinasa Vidy Varotra fampisehoana maimaimpoana niarahana tamin’ny tarika Jean Aimé ho an’ireo mpivarotra gazety an-jatony maro tonga tamin’io fotoana io. Nafana ny fiarahana, na ny kely na ny lehibe dia samy nientanentana avokoa niaraka tamin’ity mpanakanto ity, ary dia nalai-nisaraka ny rehetra. Mbola be no hiarahana, hoy ny mpitondratenin’ny orinasa satria dia efa an-dalana ihany koa izao ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny gazety Tia Tanindrazana, iray amin’ireo gazety vokarin’ny orinasa Vidy Varotra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT