Tsy hisy ny fampakarana ny vidin-tsolika, araka ny fampanantenan’ny minisitry ny fitantanam-bola, Hery Rajaonarimampianina na dia tapitra tamin’ny 04 septambra lasa teo aza ny fe-potoana mampanankery ny didim-panjakana mamaritra ny vidin-tsolika.
Raha ny tokony ho izy izany dia malalaka ireo kaompania mampihatra izay vidiny tsy mahafantiantoka azy. “Tazonina amin’ny vidiny ankehitriny ihany ny solika fa tohizana kosa ny fifampidinihana amin’ireo kaompania mpanafatra sy mpaninjara”, hoy ny minisitra. Raha ny fanazavany dia misy indray ny fifanatonana amin’ny roa tonta amin’ity anio ity. Marihina fa miteraka fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra ireo entana fampiasa andavanandro avy hatrany ny fikitihana ny vidin-tsolika ka mailo ny fanjakana. Anisan’ny paikady nampiharin’ny FAT ny fampiatoana ny fandoavan’ireo kaompania ireo ny “Taxe sur les produits petroliers” na TPP amin’ny solika hafarany rehefa nisy ny disadisa teo amin’ny roa tonta ka nahatonga ireo mpandraharaha ireo nanapaka ny famatsiana tamin’ny toby sasany. Tsy maintsy neken’ny FAT ny fanerena nataon’ireo kaompania vahiny mba nahafahany mizatona ny vidin-tsolika na dia fatiantoka iray lavaka aza ny setriny ho an’ny fanjakana. Efa nahatratra 26 miliara ariary mantsy ny TPP tsy nisy nandoa tamin’ny volana jolay lasa teo. Tsy mbola naharaisana fanazavana kosa anefa hatreto ny fitohizana na tsia ilay fifanarahana saingy sarotra ho an’ny FAT no hahita vahaolana tsara kokoa noho io.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.