Tsy nihetsika ny vidin-tsolika teto Madagasikara nandritra iny taona 2020 iny ary didy efa
nihatra tamin`ny volana jona 2019 no nampiharina. Tsiahivina fa nisy ny fiakaran`ny vidin-tsolika teo amin`ny tsena iraisam-pirenena teo amin`ny faraparan`ny taona 2019 fa tsy nihetsika kosa ny teto Madagasikara noho ny fitsinjovana ny mpanjifa. Izany dia miteraka ny atao hoe “passif” izay nahatratra 170 miliara ariary tamin`ny volana desambra 2019. Na dia nisy aza ny fidinan` ny vidin-tsolika teo amin`ny tsena iraisam-pirenena tamin`ny volana martsa 2020 noho ny fisian`ny valanretina COVID-19 dia tsy mbola nihetsika ny vidiny teto Madagasikara noho ny fisian`izay “passif” izay. “Ao anatin` ity volana janoary sy ny febroary dia tsy hihetsika vidin-tsolika eto Madagasikara. Ny tahirin-tsolika nafarana tamin`nyt volana novambra sy desambra no ampiasaina izao. Mila fitandremana, araka izany, ny telo volana fahatelo” raha ny fanamarinana izay nataon`ny tale jeneralin`ny Ofisy Malagasy mitantana ny vookatra ara-tsolika (OMH), Olivier Jean-Baptiste. Tsara no manamarika fa mari-drefy iray mamaritra ny vidin-tsolika koa ny sandan`ny fifanakalozana ara-bola ary marihana fa nihen-danja ny ariary raha oharina amin`ny dolara. Mahasika ny fanjifàna solika kosa dia nihena 18% izany ny taona 2020 raha oharina tamin`ny taona 2019. Raha tsy misy indray ny krizy ara-pahasalamana vaovao dia heverina fa tokony hiverina amin`ny fampiasàna solika tamin` ny 2019 ity taona 2021 ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.