Actualités

Vidin-tsolika Hiakatra 150 Ariary indray ?


  • Zoma 06 Aprily 2012

Tsy misy hevitra hafa fa tsy maintsy hiakatra indray ato ho ato ny vidin-tsolika.

 Sarotra dia sarotra mantsy amin'izao fotoana ny hikarohana marimaritra iraisana eo amin'ny fanjakana sy ireo mpandraharaha eo amin'ity sehatra ity. Tsy maintsy miaina amin'ny zava-misy isika ary manaraka ny fivoatry ny tsena iraisam-pirenena. Ny fitondrana tetezamita rahateo tsy manam-bola hanaovana "subvention", mba hanalefahana ny vidiny ka tsy maintsy hiakatra io. Raha ny re hatramin'ny omaly dia manodidina ny 100 ka hatramin'ny 150 Ariary ny ho fisondrotana amin'ity indray mitoraka ity, ka hihatra amin'ny solika tsy misy viraty “sans plomb” 95 sy ny gazoala izany.

Raha atao ny kajy tsotsotra dia nisondro-bidy teo amin'ny 300 Ariary isaky ny litatra eo ny solika tamin'ity taona 2012 ity, raha toa ka mihatra io fisondrotana andiany faharoa io. 600 Ariary isaky ny litatra moa ny fisondrotana nambaran'ireo kaompania lehibe efatra misy eto fa tokony hatao. Midika izany fa mbola hisy ihany hatrany ny fisondrotana. Ny famaritana ny fomba hanatanterahana io fampisondrotana ny vidin-tsolika tsimoramora io no anton'ny fivoriana, omaly teo amin'ny fanjakana sy ny vondron'ny mpandraharaha amin'ny solika. Efa tsy ao anatin'ny adihevitra intsony, raha araka ny tsiliantsofina re, ny hitazonana ny vidin-tsolika, fa dia tsy maintsy hiakatra io.

Ny fahafantarana izany rehetra izany no antony mampihetsiketsika ihany koa ny fianakaviamben'ny mpitatitra amin'izao fotoana. Tsy zaka intsony mantsy, araka ny nambaran'izy ireo raha toa ka mbola miakatra ny vidin'ny solika. Nilaza izy ireo fa voatery tsy maintsy hampisondrotra ny saran-dalana. Azo antoka anefa fa hampitombo ny fahasahiranan'ny vahoaka izany, ary tena mety hitarika savorovoro sy fipoahana ara-tsosialy mihitsy. Araka ny fomba fiteny anefa dia azo ifampiraharahana ny zavatra rehetra, ary tsy misy tsy vitan'ny resaka izany. Koa manantena ny rehetra fa tsy maintsy hisy ny vahaolana amin'ity resaka ity mba hahitan'ny andaniny sy ny ankilany tombontsoa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT