Nisondrotra nanomboka tamin地y fiandohan段ty volana jona ity ny vidin-jiro eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana nataon地y Jirama sy ny Office de r馮ulation de l帝lectricit� (ORE) ny faran地y herinandro teo.
9 ka hatramin’ny 20% io fisondrotana io arakaraka ny sokajy misy ny mpanjifa. Ho an’ireo mpanjifa ao anatin’ny sokajy Basse Tension dia tsy misy aloha ny fisondrotana ho an’ny 1ère tranche, 9% kosa ny fisondrotana ho an’ny mpanjifa hafa antsoina hoe Abonnés non résidentiels. Mahatratra 15% ny fisondrotana ho an’ny orinasa mampiasa Moyenne Tension sy Haute Tension ary 20 % ny fisondrotana ho an’ireo mpanjifa hafa, tsy orinasa saingy mampiasa ny Moyenne Tension. Natao moa izao fampisondrotana izao mba ho fanampiana ny Jirama amin’ny asa fanarenana atrehany, araka ny fanambarana voaray. Efa tamin’ny volana martsa no re io tsy maintsy hisian’ny sondro-bidin’ny herinaratra eto Madagasikara io, araka ny resaky ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo teo aloha Horace Gatien nandritra ny sonia fifanarahana findramam-bola tamin’ny Banky iraisampirenena. Miankina betsaka amin’ny fampisondrotana ny vidin’ny herinaratra mantsy ny kalitaon’ny tambajotran’ny fitsinjarana sy ny famokarana eto Madagasikara, araka ny fanampim-panazavana voaray. Iaraha-mahita ny fahalotoan’ny ranon’ny jirama tamin’ity taona ity sy ny delestazy matetika noho ny antony tsy dia maharesy lahatra loatra. Ampy hanentsenana ny banga sy hamahana ny olana tokoa ary ve izao fampisondrotana izao ? Mivarotra saran’ny angovo fatiantoka hatrany amin’ny antsasany manodidina ny 300 ariary isaky ny kilowatt tokoa mantsy ny Jirama. An-kilan’izay anefa, tena mampimenomenona ny mpanjifa ny faharatsian’ny fomba fiasa sy ny paipaika isan-karazany hakana ny volan’ny olona, tahaka ny tsy fanomezana famerim-bola, ohatra, fa lazaina hoe tsy misy madinika. Mbola ankamantatra ny fiaraha-miasan’ny Jirama amin’ireo orinasa vahiny mpamokara herinaratra eto amintsika tahaka ny Symbion Power. Hita ihany koa fa tsy mbola manana politikan’ny angovo mazava sy azo ampiharina ny fitondram-panjakana, ary toa mbola manamaivana ihany ny fiampitana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina tahaka ny herin’ny masoandro sy ny rivotra.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.