Nahitana fiakarany manodidina ny 100Ar isa-kilao ny vidim-bary ao Toamasina tamin’iny volana aprily iny. Raha mbola nahitana 1.000 Ar ny kilao ny volana martsa, dia efa 1.200Ar izao ny vary “stock tampon” mora indrindra izay tena efa ratsy sy be fofona, ireo izay tsara kosa dia manodidina ny 1.300Ar ny kilao. Ny makalioka kosa dia 1.350Ar no mora indrindra izay ambaran’ireo mpividy fa sady be vato no efa notehirizina ela ihany koa. Amin’ny ankapobeny dia eo anelanelan’ny 1.400Ar – 1.600Ar ny kilaon’ny vary makalioka. Ankoatra ireo lazain’ny mpivarotra fa “riz de luxe” dia efa mananiky ny 1.800 Ar ny kilaony. Milaza anefa ireo mpivarotra fa tsy mandeha ny tsenam-bary izao na ambara aza fa “tompondaka” amin’ny fihinanam-bary ny Malagasy. Ankoatra izay dia 1kg isan’andro no vidian’ny ankamaroan’ny olona ary misy aza dia tokantrano mividy tapa-kapoaka monja isaky ny hihinana. Manahy ny mety hiakaran’ny vidim-bary anefa ireo mpivarotra ato ho ato, noho ny raharaha politika ankehitriny izay mahatonga ireo mpamongady sy mpanafatra vary hanitrika ny tahiriny noho ny tahotra. Eo koa ny feo mandeha fa hiakatra ny vidin-tsolika.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.