Noroahin’ny Fanjakana any Venezuela tarihin’i Nicolas Maduro ny
Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina Isabel Brilhante Pedrosa, ka nomena fe-potoana 72ora hialana ao amin’ity firenena ity. Natolotra azy an-tànana mihitsy ny fandroahana. Anton’izany ny filatsahan’ny sazy nataon’I Bruxelles mandrara ny fidirana olona ambony 55 any amin’ny firenena anatin’ny Vondrona Eoropeanina. Miampy sazy hafa, toy ny fanagiazana fananana io. Tsy vao izao no nisy tahaka io, ka andrasana na hihemotra na tsia ny Fanjakana satria niantso ny hiverenana amin’ny fanapahan-kevitra ny Eoropeanina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.