Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny mponina Distrikan’i Manjakandriana ny sabotsy 08 martsa teo notarihan-dRtoa Rahantasoa Lydia solombavambahoaka voafidy tao amin’ity Distrikta ity.
Nanombohana ny hetsika ny fanaovana ny diabe namakivaky ny tanàna, izay nandraisan’ireo vadin’ny zandary (Fivaza) sy ny vady miaramila (Fivami) ary ireo mpiandry fonja, ary ny vehivavy avy any Manjakandriana anjara. Notohizana tamin’ny fiaraha-miombom-bavaka tao amin’ny fiangonana FKPM Jerosalema Vaovao izany nitrotroana am-bavaka ireo vehivavy. Taorian’izay dia nisy ny fitsidihana ny fonjan’i Manjakandriana ka nitondran’izy ireo fanampiana maro toy ny lay misy ody moka, menaka, savony, akanjo sy kiraro ho an’ireo gadra vehivavy miisa 26 tezaina ao. Niarahaba ny vevihavy tsy ankanavaka ny depiote Rahantasoa Lydia. Nambarany fa manana ny zo hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ihany koa ireo vehivavy voafonja. Nohamafisiny fa tsy ataony ambanin-javatra iny Distrika nahavoafidy azy iny, indrindra fa ny fanamboarana ny lalana sy fampandrosoana ny tanàna, ka nisaorany ny vahoakan’i Manjakandriana namerina ny fahatokisana taminy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.