Actualités

Vehivavy TIM Nanamarika ny fetin’ny Reny


  • Alatsinainy 30 Mey 2011

Ny sabotsy 28 Mey 2011 tao amin’ny foibeny tao Bel Air no nankalazan’ny vehivavy TIM ny fetin’ny reny ka natao fahatsiarovana ny vehivavy nodimandry, marary sy ny hafa rehetra tao anatin’ny tolona izany.

I Mama Séraphine, zokiolona ao anatin’ny fikambanana, no nitondra ny tenin’ny vehivavy rehetra ka niarahabany manokana ireo vadin’ny filoha telolahy voafidim-bahoaka. Notsiahiviny fa sahirana ny lehilahy raha tsy manana ireto toetra ireto ny vehivavy dia ny fitiavana, famelana ary faharetana. Nandray fitenenana koa ireo nasaina manokana tahaka an-dRtoa Ruffine Tsiranana izay niteny fa «mitana andraikitra goavana ny vehivavy satria izy ireo no ao ambadiky ny vadiny, ny zanany na inona na inona andraikiny. Tahaka izany koa Rtoa Ihanta Randriamandrato izay naniry fa tsy ao anatiny ny rivotra misafotofoto intsony ny Malagasy no hankalaza ny fetin’ny reny manaraka ary ho tonga ireo notakiana.

Nomarihany fa masaky ny vehivavy ny tolona ary atahoran’ny miaramila izy ireo. Nampiany fa tsy ny zaza no hamingavinga raiamandreny ary nofaranany fa efa hita manangasanga ny lalana». Ny birao politika TIM izay ny Depiote Andriamaholison Jules no nisolotena azy dia nanambara fa «ny vehivavy no sahy kokoa tamin’ny tolona indray mitoraka ity ka dia nampirisihiny izy ireo hiroso kokoa hatrany». Raha ny resaka politika kosa dia nambarany fa miandry ny fandaharam-potoana ny SADC sisa ary ho hita eo raha tsy ilaina ny any Gaborone ka hahitana indray hoe iza no milaza ny marina ? Marihina fa dia niditra tamin’ny antso an-tariby tao Bel’Air nampahery ny vehivahy rehetra Rtoa Lalao Ravalomanana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT