Actualités

Vehivavy TIM Analamanga Nankalaza manokana ny tsingerin-taonan’i Dada


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

Nihaona sy nankalaza ny tsingerin-taona nahaterahan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ireo vehivavy TIM eto Analamanga ny sabotsy.

Tsy afaka niaraka taminy noho I Marc Ravalomanana tany Toliara izy ireo, ka dia nanamarika izany nialohan’ny fotoana tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny Antoko TIM tetsy Bel’air. “Miarahaba anao, ary mirary soa ho anao ho lava andro iainana, ary mbola miandrandra anao ny vahoaka Malagasy hitondra vahaolana sy hanavotra ny firenena indray”, hoy Rtoa Rahelisoa Arphine, Filohan’ny vehivavy TIM nisolo ten any rehetra. Mitohy hatrany, hoy izy, ny fanetsehana ny vehivavy Tiako I Madagasikara mba hiray hina, ary ilaina foana izany mba tsy hatoritory. Manentana ny rehetra hatrany amin’ny faritra hanao tahaka ny eto Analamanga satria izao isika dia efa manomboka, hoy izy nanentana. Nomarihin’ity mpitarika ny vehivavy TIM ity rahateo, fa isan’ny herin’ny antoko ny vehivavy, ka tsy tokony hatoritory. Efa manentana ny any amin’ny Faritra ihany koa ny vehivavy TIM, fa tsy hijanona ho an’ny eto Analamanga ihany. Hatramin’ny any an-dafy aza miray hina sy efa mihetsiketsika, toy ny vehivavy TIM France, izay manampy sy manohana amin’ny hetsika toy izao, hoy Rahelisoa Arphine. Nisy moa ny fiaraha-misakafo sy fifampizarana mofo mamy nentin’izy ireo naneho fa mifampizara ny mamy ny Filohan’ny Antoko TIM sy ny vehivavy TIM. Naneho ny hafaliany tamin’ny alalan’ny antso an-taroby kosa Atoa Marc Ravalomanana. Nisolo ten any Birao politikan’ny TIM moa Atoa Julien Andriamorasata sy ny Maitre Eloi Ratefimahefamijoro, izay nidera manokana ny fahavitrihan’ny vehivavy TIM, niantso firaisan-kiana hatrany.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT