Ankoatra ny fampitam-baovao mahakasika ny fifandrahonana am-bava sy fifampikasihan-tanana teo amin’ny mpitandro ny filaminan’ny Emmo-Reg sy ny vahoaka noravana trano teny Kianja Ambohimangakely omaly dia vaovao hafakely sy mahavariana iray koa no nambaran’ny Hafari Malagasy. Mahatsikaiky sady mahonena, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ity tambajotra ity fa vokatry ny fiadiana lehilahy iray teo amin’ny andriambavilanitra roa tety Anosizato tety ny alarobia 25 septambra takariva teo dia nokaikerin’ny iray tamin’izy ireo ny tanan’ity rafivaviny ka tapaka niala tery ary nofonosina tamin’ny lamba nentina namonjy hopitaly. Anio alakamisy 26 septambra no fantatra fa hanatona ny Hafari Malagasy hitondra ny taratasy avy amin’ny dokotera ahazoana manao fitarainana ilay niharam-boina.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.