"Vehivavy manana fahasembanana,Vehivavy mandray andraikitra", no lohahevitra nentin’ny R.N.F.H.M / MADA na ny "Réseau National des Femmes Handicapées de Madagascar" ho fampahafantarana ny fisian’ny rantsany ao Antsirabe, ny R.F.H.V na ny "Réseau des Femmes Handicapées du Vakinankaratra" ao Vakinankaratra.
Tao amin’ny efitrano malalaky ny Lapan’ny tanànan’Antsirabe no nanasan’izy ireo ny tompon’andraikitra ara-panjakana sy ny besinimaro ho fampahafantarana izany ny alakamisy 20 Martsa 2014 lasa teo. Nambaran-dRtoa Razaka Manantenasoa Ralphine, filoha nasionaly fa tafiditra amin’ny hetsika fanofanana ireo vehivavy sembana amin’ny fampahafantarana ny zony sy fampiofanana azy ny fomba fandresen-dahatra ny hetsika natao, ka io andro io dia nisongadina bebe kokoa ny fanentanana azy ireo amin’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy manana fahasembanana.
Nohazavaina tamin’izany fa tsy herisetra ara-batana ihany akory no hiadivan’izy ireo fa eo ihany koa ny herisetra ara-moraly ka izay no hanentanana ny tompon’andraikitra handray fepetra amin’ny mety hisian’ny tranga toy izany. Ankoatra izay dia nohararaotina ny hetsika nanaovana fampirantiana ny asa tanana vitan’ireo vehivavy manana fahasembanana avy ao Vakinankaratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.