Actualités

Vehivavy manana fahasembanana Miantso ny fanjakana mba hijery ny zon’izy ireo


  • Alakamisy 11 Martsa 2021

Tsy tambo isaina ny olana iainan’ ireo vehivavy manana fahasembanana eny anivon’ny fiaraha-monina

 

 

 

raha araka ny fanazavan-dRtoa Razaka Ralphine mpikambana eo anivon’ny Réseaux national des femmes handicapées de Madagascar, omaly, tetsy Behoririka. Betsaka ireo voaolana manerana ny Nosy raha araka ny fanazavany ankoatra ireo hiharan’ny fanilikilihana. Vehivavy toy ny vehivavy rehetra ihany anefa ny vehivavy manana fahasembanana hoy izy afaka alaina vady tsara, afaka mitondra vohoka sy miteraka ary vonona ny ho Renim-pianakaviana ihany koa. Fa ny tena mampalahelo hoy hatrany Rtoa Razaka Ralphine dia ireo foto-drafitrasa tokony hampiasain’ny vehivavy manana fahasembanana. Tsy misy ahitana izany ny toerana tokony hisy izany hoy izy eny fa na dia eny anivon’ireo foto-drafitrasam-panjakana aza. Mangataka amin’ny fanjakana ny tokony hijerena akaiky izany araka izany izy ireo. Nisy ny fivoriana notanterahin’ireo vehivavy manana fahasembanana omaly tetsy Behoririka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT