Actualités

Vedety nivadika tao Soanierana Ivongo Nieren-doza i Andry Rakotonirainy !


  • Talata 30 Aogositra 2011

Nanazava ny fandehan’ny loza nihatra tamin’izy ireo ny misahana ny serasera sady mpaka sarin’ny ministera, Andry Rakotonirainy, iray amin’ireo mpandeha avotra tao anatin’ilay vedety Black Shark rendrika tao Soanierana Ivongo. Nambarany fa sady nivadika no nipoaka avy eo ilay vedety Black Shark nitondra azy.

Izaho tamin’izay dia nipitika niala ny sambo nandritra ny famadibadihan’ny onjan-dranomasina anay, niaraka tamin’ireo namako sasany. Ny minisitra sy ireo maty niaraka taminy kosa tsy afa-niala fa nentin’ny vedety nivadika tao, ary voasaringotra tao ka sarotra ny nanala sy nisintona azy. Ilay fibatana ny sambo nivadika anefa no niteraka fipoahana mafy be izay nahatonga ny lelan’afo ho roa metatra mihitsy, ka teo no tena nahafaty ireo mbola tavela tao anaty vedety nivadika sy ireo mpamonjy avy teo amoron-dranomasina, anizan’izany ny Filoham-pokontany tamin’ny tanàna nanakaiky teo ihany koa. Zanak’i Sylvain Rakotonirainy, izay lehiben’ny sampandraharahan’ny serasera tao Toamasina ny taona 1978 i Andry Rakotonirainy. Nambarany fa «tsy mahay milomano aho, fa ny onja sy ny fanantenana sisa no nantenaiko hanavotra ahy, na efa in-telo natelin’ny onja ihany saingy niezaka ny nivoaka sy nitsipaka namonjy ny sisin-dranomasina, izay tsy lavitra loatra ny nitrangan’ny loza».

Raha ny fanazavana nomena tantsambo sy mpanamory sambo sy vedety ireny kosa, dia nanamarina ny fipoahana nitranga io. Nolazainy mantsy fa «ny vedety ‘hors bord’ raha mivadika, dia mihodina maina tsy misy solika sy menaka ny moterany. Ny solika koa amin’izay very eo amin’ny faritra tsy misy rano amin’ny vedety mivadika iny, ka iny fihodinana motera maina iny dia miteraka fipoahana mafy toy ny baomba na grenady mihitsy. Manamora ny fipoahana koa ny solika miparitaka manodidina eo». Ireo dokoteran’ny hopitaly be izay tonga maro nanao ny fanadihadiana sy nanindronana formol ireo maty, dia nilaza fa «ahitana faritra may avokoa ireo razana hita ireo, ary mbola misy fofona solika ihany koa. Nisy koa ny faritra tapaka tsy hita, toy ny tongotra sy ny ilan’ny loha ary ny tanana teo amin’ireo maty. Ny an’ny minisitra Nadine Ramaroson moa dia ny tarehiny, araka ny voalaza, no may miampy ny teo amin’ny vatany». Tao Soavita no niandrasana ny razana rehetra alina. Ny maraina teo tamin’ny 06 ora kosa no niala tao entina eto Antananarivo ireo razana.

 

Rakoutou

 

Sary : Andry Rakotonirainy, iray amin’ireo mpandeha avotra tao anatin’ilay vedety Black Shark

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT