Actualités

Vavao tapatapany


  • Talata 13 Aogositra 2013


Teraka ny zanany faha-10 tamin’ny zoma teo ilay renim-pianakaviana avy eny Ampatatafika vadin’ilay rain-janany voalaza fa nanolana an’ireo zanany vavy tsy ampy taona 4. Nijoro niaro ity lehilahy ity ny havany ary nanizingizina fa tsy nahavita ny zava-doza voalaza io izy. Anio talata 13 aogositra no hiakatra etsy amin’ny fitsarana Anosy ny raharaha taorian’ny fitokonan’ny mpandraharahan’ny fonja.

Tovovavy kely 8 taona no naolana tovolahy 23 taona teny Namontana omaly alatsinainy 12 aogositra. Mpiara-monina izy ireo, ary raha iny sendra nilalao ilay zaza no nentin’ilay tovolahy namonjy trano nanamparany ny filan-dratsiny. Tsy tao an-trano ny ray aman-drenin-drakalakely tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanararaotana ara-nofo. Nanda ho tsy nanao izany ilay tovolahy saingy voamarina fa simba ilay zaza rehefa natao fizahana tao amin’ny CSB Namontana.

Zazavavikely vao amam-bolana no nisy nanary tao anaty akondro teny Anosipatrana Atsinanana. Olona sendra nandalo, nandre feon-jaza efa malemin’ny tomany no nahita ilay zaza izay zara raha mitafy sy jihitry ny hatsiaka omaly vao maraina. Renim-pianakaviana iray ao an-toerana moa no nanda-tena nandray an-tanana ilay zaza, izay avotra soa amantsara. Karohina kosa ny reny niteraka azy.

Nisy grenady telo hitan’ny olona natsingevan’ny ranomasina tany Sainte Marie. Mbola mifono lamba tsy lena izy ireo no nisy nahita, omaly. Efa eo ampelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Misokatra ny fanadihadiana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT