Olana saro-bahana eny amin’ny oniversitem-panjakana ny resaka vatsim-pianarana. Vao tsy ela akory izay ny mpianatra teo anivon’ny Sampana siansa no nanao fitokonana noho izay antony izay.
Ho an’ny Lalam-piofanana haisoratra kosa dia efa mandray ny vatsim-pianarany ny volana fahadimy an’ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Efa nahazo ny azy ihany koa ny sampana fitsaboana. Ho an’ny Sampana siansa sy ny DEGS kosa dia efa nivoaka ny lisitra saingy tsy mbola nandray vatsim-pianarana izy ireo tamin’ity taom-pianarana ity. Anton’ny toe-javatra ny tsy fitovian’ny fotoana nanombohan’ny taom-pianarana ho an’ny toeram-pampianarana tsirairay. Niditra aloha ny mpianatra ho an’ny sampana Fitsaboana sy ny Haisoratra raha ny fanazavan’ireo mpianatra. Efa nisy ihany ny tanjona hampitoviana ny fidirana ho an’ny toeram-pampianarana rehetra saingy tsy mety tanteraka hatreto. Ankoatra ny fandoavana ara-potoana ny vatsim-pianarana, angatahin’ireo mpianatra ny fahazoana aterineto maimaimpoana eny anivon’ny anjerimanontolo. Ny rafi-pampianarana LMD rahateo dia manery ny mpianatra hampiasa ny aterineto kanefa mbola tena lafo ny saran’izany eto Madagasikara.
Nangonin’i Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.