Anio no voalazan’ny Minisitry ny Vola sy Tetibola fa hivoahan’ny vatsim-pianarana ho ana oniversite telo dia Antananarivo, Fianarantsoa ary Toamasina. Roa volana avy no ho azon’ireo mpianatra amin’iretsy roa voalohany raha vatsim-pianarana iray volana kosa no an’ny fahatelo. Araka ny vaovao hita ao amin’ny tranokalan’ny Tahirimbolam-panjakana anefa dia nilaza ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny “Trésorerie Ministérielle” misahana ny fanabeazana fa tsy mbola naharay antontan-taratasy momba ny vatsim-pianarana avy amin’ny Oniversiten’Antananarivo izy ireo omaly. Nilaza koa ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony fa noho ny fisian’ny lisitra fanampiny no mahatonga io fahatarana io. Efa voaramason’ny “Controle financier” moa ny dosie vao makany amin’ny “Trésorerie Ministérielle” misahana ny fanabeazana, izay ity farany vao mandefa azy any amin’ny oniversite. Araka izany dia mety tsy mbola ho tanteraka amin’ity anio ity fa hihemotra kely ny fandoavana ny vatsim-pianarana volana faha-6 sy faha-7 ho an’Antananarivo sy Fianarantsoa ary faha-4 sy faha-5 kosa ho an’i Toamasina.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.