Ben’ny tanŕna maromaro ao Vatovavy Fitovinany no nanao fanambarana tamina radio tsy miankina iray tao Manakara ny sabotsy teo manoloana ny tsy fahazoan’ny Kaominina
tantanan’izy ireo “subvention” na tohana ara-bola fanomen’ny fanjakana ny Kaominina manerana ny Nosy. Mandrahona ny hanidy birao izy ireo raha tsy tonga alohan’ny 10 jona izao io “subvention” io, satria tena tsy misy horaisina intsony.
Omaly dia nisy andiana Ben’ny tanàna hafa indray nivory tao Manakara. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo taorian’ny fivoriana omaly tolakandro fa “tsy ifanarahanay ny fanakatonana ny biraon'ny Kaominina izay nataon’ireo Ben’ny tanàna ny sabotsy lasa teo fa hiasa ary hanangana saina izahay amin’izao fankalazana ny fetim-pirenena izao”. “An-tsitrapo sa nisy teritery no nahatonga io fanambarana io” ?, hoy ny mpanara-bavao ao an-toerana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.