Actualités

Vatomandry Mamofompofona fitokonana


  • Alatsinainy 18 Aprily 2011


«Tsy mandray marary avy aty Toamasina intsony izahay mpitsabo ao Vatomandry». Izay no nambaran’ny solontenan’ny mponina sy solontenan’ny mpitsabo ao amin’ny hopitaliben’i Vatomandry, niatrika ny nitondrana ireo voarohirohy mikasika ny famonoana ny Dr Laivao teo amin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana, ny zoma tolakandro teo. Nambaran’izy ireo fa mampigadra ny fanavotana ain’olona ankehitriny, nefa nanaovan’ny mpitsabo fianianana ka nananganany tanana ny hitsabo izay marary tonga eo anatrehany na fahavalo na mpamosavy, ary tsy hifidianana saranga sy fiaviana.

Nohamafisin’ireo solontena ireo hatrany fa na henjehina ho mitsoaka adidy aza ny mpitsabo any dia tsy hitsabo ireo mararin’i Toamasina tonga ao Vatomandry. Ao Vatomandry anefa no misy ireo mpitsabo sinoa mahay momba ny fandidiana fivontosana sy fitsaboana tatsinanana izay mahasarika olona be tokoa hatramin’ny nisiany, ary betsaka ireo mponina an-tanàn-dehibe hafa mitsabo tena any vokatra izany. Ankoatra izay, mikasa ny hitokona sy hanao hetsika fanehoana firaisankina amin’ilay dokotera voatana am-ponja ao Ambalatavoahangy ny ao Vatomandry, indrindra ireo nahita soa sy fahasitranana tamin’ity dokotera ity.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT