Ahitam-bokany hatrany ny fisavana ireo fiara mpivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena sahanin’ny zandary avy ao amin’ny vondro-tobim-paritra Imerina Centrale, hoy ny fampitam-baovao omaly. Tamin’ity faramparan’ny volana desambra ity, dia nanao sesilany ireo fahatrarana harena sarobidy na entana tsy misy taratasy ara-dalàna raha ho an’ny teny amin’ny lalampirenena faharoa izay mbola tafiditra ao anatin’ny faritra hiasan’izy ireo manokana. Omaly dia karazana vato sarobidy « quartz blanc » sy « quartz fumé » milanja hatrany amin’ny 780 kilao indray no sarona teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo Carion, ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana. Nafenina tao anaty fiara nitaterana harina fandrehitra sy bidon feno tantely ireto vato ireto. Noho ny fisavana natao hatrany anatiny indrindra anefa, dia sarona ireto vato ireto. Notazonina avy hatrany ilay mpamily ny fiara ary efa karohina ihany koa ireo tompon’ny vato. Nogiazana ireto entana ireto ary efa mandray ny andraikiny ihany koa ireo tomponandraikitra misahana izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.