Actualités

Vato sarobidy tratra tao Toamasina Nisy nanondrana ny kaontenera iray kaontenera?


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao, fa nisy nanondrana ny iray tamin'ireo kontenera 8 nahitana varo sarobidy tao Toamasina sarona ny 18 jolay lasa teo.

 Tratra saika ahondrana any Chine dia najanona tao Port Louis Maurice dia toa hoe efa haverina ao Toamasina? hoy ny fanamarihana sady fanontaniana nataona mpizara vaovao iray. “Dia, hoy hono, ilay kaompaniam-pitaterana nahatrarana azy hoe tsy fanahy iniana fa nifandiso na “erreur de manipulation hono?”, hoy hatrany io mpizara vaovao io. Teratany Sinoa 2 sy Malagasy 2 kosa no naiditra am-ponja ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha hiverenana ny tantara. Vato 8 kaontenera no sarona tany Toamasina, nahitana vatosoa isan-karazany.Azo niainga avy amin’ny fitsirihana nataon’ny mpiasan’ny fadin-tseranana, nahitana fa nisy hosoka ny fanambarana. Entana hafa no hita tao anatin’ny antontan-taratasy. “Ny zavatra natao fanambarana tao, ka ny iray nisy “pierre industrielle à travailler”, fa rehefa nosokafana ny kaontenera izay telo no efa voasokatra, dia ny telo nahitana fandikan-dalàna daholo. Iray isan’andro no vita, nanararaka daholo ny “emballages” nisy azy satria raha resaka vato sarobidy dia zavatra kely iray mety hiteti-bidy. Vato sarobidy “labradorites” 14 taonina, ohatra, no isan’ny hita tamina kaontenera iray, saingy “quartz” ny tao anatin’ny fanambarana, Corail noir izay namoahan’ny CITES fanambarana fa tsy azo trandrahana sy aondrana,… Saika vato sarobidy efa voatefy sy mbola hotefena avokoa no tao anatin’ireo kaontenera. Voalaza fa nalefa any amin’ny Banky foibe ireo “corail noir” efa voatefy tsara. Andrasana ny fanazavana ofisialy momba io resaka mandeha fa nisy entana tafaporitsaka ion a mitombina na tsia. Raharaha avo lenta ny tahaka itony, ary tsy olon-tsotra no afaka manao afera goavana amina trafikana harem-pirenena toy izao. Voalaza moa fa efa mandeha ny fanadihadiana ka asa na hivoaka ny tena marina sy ny tena atidoha na ho vitavita ho azy toy ny raharaha volamena 73,5kg izay tsy re intsony ny tohiny?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT