Actualités

Vatican Noraisin’ny Papa François i Siteny


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2022

Noraisin’ny Papa Ray masina Fransoa ny Filohan’ny Kaonfederasionina judo aty Afrika na UAJ izay teratany Malagasy dia i Siteny Randrianasoloniaiko,

raha ny fampitam-baovaony tao amin’ny pejin-tseraserany ny faran’ny herinandro teo. “Tsy nampoiziko hoe: izaho ilaza zaza teraka sy lehibe tao Tsenengeha, kartie fonenan’ny sahirana ara-pivelomana, nanomboka nanao “judo” tamin’ny faha-12 taonako no indray andro any hahazo fanasana avy amin’i Vatican hihaona amin’ny Papa Ray Masina amin’ny maha Filohan’ny UAJ”, ahy hoy izy. Naneho izy fa tsy nampoiziny kanefa dia tanteraka izany ankehitriny, ka nisaorany an’Andriamanitra izay mahay mandahatra ny zavatra rehetra, ary ankinina aminy ny omaly, ny ankehitriny ary ny ho avy, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Nilaza moa ny tenany fa hozarainy amin’ny fotoana manaraka ny antsipirihany fa tena mafonja ny hafatry ny Papa François ho an’ny mpitia fanatanjahantena rehetra sy ny vahoaka manontolo mikasika ny tsy fandriampahalemana. Ny lafiny ara-panatanjahantena mifandraika amin’ny fandraisan’ny Papa azy izay, fa raha ny tsikaritry ny mpanara-baovao ihany koa ankehitriny raha ny lafiny politika, dia mikofokofoka sy mihetsiketsika ity zanak’I Toliara ity. Maro ny fanehoan-kevitra sy karazana tsapan-kevitra mampiditra azy ho isan’ireo heverina fa ho kandida Filoham-pirenena amin’ny 2023. Raha ny vondron’antoko IRD no nahalany azy ho depiote, dia efa hita taratra hatry ny ela ny tsy dia fitovian-kevitra, ary tsikaritra ny karazana fanakianany mivantana na ankolaka ny Fanjakana ankehitriny. Tsikaritra ho manamboatra ny fifandraisana samihafa amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa na amin’ny tandrefana na ny tantsinanana i Siteny Randrianasoloniaiko ka asa hoe: tena hanao tokoa amin’ny 2023 sa ahoana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT