Actualités

Vatam-paty 8 isan’andro ny kaomandy azon’ny mpandrafitra iray


  • Alatsinainy 12 Aprily 2021

Mahatratra 8 isan’andro ny kaomandy azon’ny mpandrafitra vatam-paty iray amin’izao valan’aretina Covid 19 sy variant eto amintsika izao.

 

 

 Ho an’ny eto an-drenivohitra fotsiny io. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpandrafitra iray etsy Anosy dia 30 minitra ka hatramin’ny ora iray eo ho eo no handrafetany vatam-paty iray. Tato anatin’ny tapa-bolana anefa izao mbola tsy mahavita iray akory izy dia efa tonga ny kaomandy hafa amin’ny sarany 30.000 Ar ny mora indrindra. Mahatratra 3 tapitrisa kosa ny lafo indrindra izay fantatra fa ireo olona avy any amin’ny faritra no tena mitady azy toy ny Antandroy…. Ho an’ity farany dia ireo karazana hazo lafovidy toy ny hazo ala na voamboana no hanamboarana azy, antony tena mahalafo azy raka kesika kosa ny an’ilay mora indrindra. Ireo fianakaviana manana olona matin’ny Covid 19 moa no tena maro mampanao vatam-paty etsy Anosy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT