Actualités

Vary moran’ny FAT In-droa isan-kerinandro, 5kg isam-pianakaviana


  • Alakamisy 24 Febroary 2011

Tonga ny talata teo ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ilay vary nolazain’ny FAT fa hamidy amin’izay zakan’ny sarambabem-bahoaka. Milanja 20.000 taonina ity vary tonga ity, ka ny sambo Thailandais «Paiwan Wisdom» no nitondra azy, ary tany Birmania no nividianana azy.

Ny orinasa SILAC no tompomarika tamin’ny fitadiavana sy fividianana ny vary tany Birmania, ny fanjakana kosa no mpanohana azy tamin’ny fanamorana izany teo amin’ny resaka hetra samy hafa. Ny 15.000 taonina amin’ireo vary dia anjaran’i Toamasina avokoa, ny 5.000 taonina kosa halefa any Toliara, afaka folo andro no haharetan’ny hamindrana ny anjaran’i Toamasina. 1.200 taonina eo isan’andro mantsy no afaka avy ao anaty sambo. Amidy 900 Ar ity vary ity, ka ferana ho 5 kg isam-pianakaviana no azo vidiana eny amin’ireo toby manokana miisa 30 ivarotana ny vary. In-droa isan-kerinandro no tapaky ny komity fa hivarotana azy, satria natao haharitra 90 andro ny famarotana ireto vary ireto.

20.000 tapitrisa ariary teo no tetim-bidin’ity vary ity. Raha atao izany ny kajy dia tokony ho 1.000 Ar ny kilao mivoaka ny magazay. Raha ny fanazavana azo dia ny fanjakana malagasy amin’ny teti-bola manokana «hors budget» no hiantohana ny elanelana aminy, izany hoe manodidina ny 6.000 tapitrisa ariary eo no vola mivoaka amin’ny fanjakana hanampiana (subvention) ny SILAC tamin’ny fanafarana ny vary. Araka ny fantatra dia mbola hisy vary manodidina ny 20.000 taonina koa ho avy.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT