Actualités

Vary moran’ny FAT Efa misy mibizina sahady ao Toamasina


  • Alatsinainy 28 Febroary 2011


Raha tao Toamasina nijery sy nitsena ilay vary nohafaran’ny FAT i Andry Rajoelina ny alarobia lasa iny, dia efa nilaza fa tsy azo ekena ny fanararaotana amin’ny fivarotana io vary io. Tsy dila akory anefa ny 48ora nanambarany izany, dia efa anjakan’ny mpijirika ilay voalaza fa vary moran’ny FAT. Sady amidy ambongadiny izy io no mbola taterina amin’ny andro alina amin’ny kalesy na posy na fiara vaventy mamakivaky ireo arabe ao Toamasina. Ankilan’izay, dia velon-taraina ireo mpividy ity vary ity eny anivon’ny toeram-pivarotana miisa 30 ao Toamasina. Tsy mba lanjaina mantsy ny vary vidiana izay ferana ho 5kg isam-pianakaviana, fa afatra amina zingabe heverina fa iray kilao ny erany. Raha natao anefa ny fandanjana ny vary nafatra tamin’ny zingabe io dia manodidina ny 900g eo. Dia ataovy eo ny kajy fa very hatrany amin’ny antsasa-kilao any ny fianakaviana iray raha tokony ho 5kg ny anjarany. Mazava amin’izany koa fa dia tsy 900 Ar. intsony ny tena vidiny fa tafakatra eo amin’ny 1.100Ar. eo.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT