Actualités

Vary mora Mijanona ho fampanantenana ny an’i Toamasina


  • Talata 22 Febroary 2011


Antananarivo renivohitra aloha hatreto no ezahan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita totofana vary mora, mba hampitoniana ny fahoriam-bahoaka tsy hahatonga ireto farany hitroatra eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana andro aman’alina. Mijanona ho fampanantenana fotsiny kosa ny amin’ny faritra. Tsy nitsahatra ny hiakiakan’ny olona milaza fa «lafo loatra ny vibim-bary e !» tamin’ny fandalovan’i Andry Rajoelina tao Toamasina ny sabotsy 12 febroary 2011 iny.

Tampoka taminy ihany ilay hiakiaka ary saika tsy nahita navaly i Andry Rajoelina, ka nilaza tsy satry fa «tsy hamela ny Malagasy ho noana aho” ary nampanantena fa afaka folo andro dia hiverina hitondra vary mora ?! Folo andro aty aoriana mbola ny vidim-bary teny an-tsena hatrizay no hita eny an-tsena. 2000Ar ny kilaon’ny vary makalioka tsara, 1400Ar ka hatramin’ny 1600Ar ny ankamaroan’ny vary. Ambatobevohoka, araka izany, ilay vary mora, raha ao Toamasina. Ny any an-toeran-kafa moa dia mahatsiaro ho zanak’Ikalahafa toy ny efa niainana tao anatin’izay roa taona izay.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT