Olona roa ka vehivavy ny iray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny
Sampana miady amin’ny zava-mahadomelina Anosy teny 67 ha avaratra atsinanana ny 04 janoary rehefa nivarotra heroine. Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahalalan'ny Polisy fa misy olona mivarotra sy manindrona héroine eny amin'iny faritra 67 ha iny. Tra-tehaka teo am-pivarotana sy fifampitsindromana izany héroine izany mihitsy moa ireto olona 2 ireto. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny héroine milanja 1,50 grama izay natao tao anaty cocotte (fonosana kely) miisa 09, 07 grama « raisine cannabis » , briquet miisa 06 sy ny fitaovana hafa fampiasa amin’izany. Izy roa voasambotra ireto moa dia fantatra fa sady mpivarotra no mampitsindrona héroine. Vidiana 60.000Ar amin’ny olona mpandalo ny 1grama ary zarainy sy tsinjarainy amin’ny cocotte miisa 08 ka iny indray avy eo no hamidy 10.000 Ar ny cocotte iray. 29 sy 43 taona izy ireo ary efa mpamerin-keloka . Nivoaka ny fonja tamin’ny taona 2017 noho ny resaka héroine hatrany izy ireo. Natolotra ny fitsarana omaly izy ireo. Pati Legende : Ireto izy roa mpanindrona sy mpivarotra heroine
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.