Actualités

Varotra fiara Miaina ny krizy koa


  • Zoma 13 Mey 2011


 Mihatra amin’ny sehatry ny varotra fiara vaovao koa ny krizy iainan’ny firenena, efa ho telo taona izao. Mihena hatrany amin’ny 30% ny tsena ho an’ireo orinasa mpivarotra fiara. Raha ho an’ny Sicam dia 700 teo ho eo ny isan’ny fiara vaovao lafony nandritra ny taona 2010 raha maherin’ny 1000 izany tamin’ny taona 2008. Saika ireo fiara matanjaka no sady fanta-daza moa no amidin’ity vondrona ity toy ny marika Mitsubishi, Bmw, Peugeot sy ny maro hafa. Ny 32 %-n’ny tsenan’ny varotra fiara vaovao no an’ny vondrona Sicam araka ny nambaran’i Arnaud Maisonobe, tale jeneraliny. Mba hitazonana ireo mpanjifany sy hisarihana mpividy vaovao dia mikarakara ny “Sicam Motor Show” ny vondrona Sicam izay nisokatra omaly. Misy fihenambidy avokoa mandritra ny hetsika ireo karazana fiara rehetra amidiny, eny fa na dia ireo fiara hiaka farany aza. Anisan’ireo hita eny Anosizato ireo maodelina fiara vao nivoaka toy ny Hyundai Sonata, ny Pajero Sport, ny Pajero 2012, ny Peugeot 508 ary ny Suzuki 5x4.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT