Actualités

Varotra fampirantiana - Fetin’ny Reny Haharitra 3 andro ny etsy amin’ny lapan’ny tanàna


  • Sabotsy 28 Mey 2016

Nosokafana omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely haharitra telo andro ilay hetsika varotra fampirantiana asa tanana malagasy karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Reny  izany, ahitana tranoheva manodidina ny 15 isa. Ankoatra ny lamba fitafy vita amin’ny landy, ireo karazana asa tanana vita amin’ny rary dia hita ao an-toerana ihany koa  ireo karazana akora, fanamboarana sakafo azo atolotra ho an’i Neny mandritra ny fety  Misy ihany  koa ny hetsika fijerena manokana ireo zokiolona manana olana ara-pahasalamana. Hiarahan’ny kaominina amin’ny fikambanan’ny massotherapeute nasionaly izay manana tanjona hanampy sy hanohana azy ireo amin’ny lafiny ara-pahasalamana, indrindra fa ny vehivavy.  Tsiahivina moa fa mpanao asa tanana efa niara-niasa tamin’ny kaominina hatramin’izay ireto mandray anjara ireo  ka anisan’ireny ny Fikambanan’ny Zokiolona eto Madagasikara izay mivarotra sy mampiranty ireo asa tanana vokariny ihany koa. Tsy misy ny vidim-pidirana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT