Tsy manjary ny fandraharahana eto Madagasikara, hoy ny lehiben’ny delegasionin’ny Vondrona eoropeanina Antonio Sanchez-Benedito.
Mihemotra isan-taona, ohatra, ny sehatry ny fananganana orinasa Malagasy raha jerena ireo taona roa lasa. Laharana faha-112 mantsy ny firenena Malagasy ny taona 2014 ary nivarina any amin’ny toerana faha-128 kosa ny taona 2015. Hentitra rahateo ny masoivohon’i Eoropa eto amintsika nilaza fa sakana voalohany amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny resaka kolikoly. Mila hatsaraina ihany koa ny lafiny lalàna, ny fisitrahana famatsiam-bola ary ny fampiroboroboana ireo fiaraha-miombon’antoka eto anivon’ny faritra manodidina, hoy masoivoho eoropeanina. 5% monja hatreto ny taham-pifanakalozam-paritr’i Madagasikara amin’ireo firenena akaiky mifandray ara-barotra aminy. Mamatsy vola ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny «Accords de Partenariat Economique» moa ny Vondrona eoropeanina. Mitentina 7,95 tapitrisa euros ny tohana ara-bola fanatanterahana io fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarena momba ny tontolon’ny varotra io miampy ilay famatsiam-bola 1 tapitrisa euros fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny haban-tseranana ao anatin’ny tsena iombonan’ireo firenena atsinanana sy atsimon’i Afrika na Comesa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.