Nandray fepetra ny Fiadidiana ny tanŕna fa “miantona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny famoahana fanomezan-dalana hivarotra ankalamanjana” manerana an’Antananarivo Renivohitra.
Voakasik'izany ny varotra fripy sy zaitra an-tsena, varotra hani-masaka, varotra hani-masaka anaty fiara, varotra kojakojam-pianarana, varotra voankazo sy legioma sy ny sisa. Taratasy fahazoan-dalana tokana ihany no ekena ho ara-dalàna raha hampiasa toerana hivarotana vonjimaika na maharitra, hoy hatrany ny fanazavan’ny avy ao amin'ny Kaominina. Voasoritra mazava ao anatin'io ny faritra hivarotana, ny fe-potoana hahazoana mampiasa ny toerana, ny laharan'ny taratasy manamarina ny nandoavana ny hetra. Nanipika mazava izy ireo fa tsy mahasolo velively ny taratasy fanomezan-dalana ny rosia fanamarinana ny nandoavana vola.
Tsy mizara "Badges" ho an'ny mpivarotra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ny Karatra maha Mpivarotra voasoritry ny Didim-pitondrana laharana 109/CUA/M/1AM/16 tamin'ny 3 febroary 2016 irery no hany manan-kery. Hentitra ny fiadidiana ny tanàna fa sokajiana ho varotra tsy ara-dalàna avokoa ny varotra rehetra any ivelan'ny toerana nahazoana alalana mazava sy ara-dalàna avy amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.