Eto Madagasikara no ahitana karazana gidro maro indrindra. Miisa 105 izy ireo ankehitriny. Ny mampalahelo anefa dia atahorana ny fanjavonan’ireto biby mampiavaka ny nosintsika ireto. Ny zava-misy mantsy amin’izao fotoana izao dia manjaka eto ny fahapotehan’ny ala, ny fiovaovan’ny toetr’andro ary indrindra indrindra dia efa misy ireo sahy mihaza tsotra izao ireto haingon’ny tontolo iainanantsika ireto.
Vao tamin’iny herinandro lasa iny moa no nandray fihaonana iraisam-pirenenan’ireo manam-pahaizana manokana momba ity karazam-biby ity isika Malagasy tao Ranomafana ka nijerena ny sehatry ny fizahantany sy ny tontolo iainana ary voaresaka manokana ny momba ireo gidro mampiavaka ny nosintsika ireo. Fa manoloana ihany koa ny zava-mitranga izay lalovan’ny firenena ankehitriny dia nampaneno lakolosy ny Conservation International ny amin’ny loza mananontanona ireo karazan-tsifaka Malagasy. Araka ny tatitra navoakan’ity fikambanana iraisam-pirenena misahana ny tontolo iainana ity mantsy dia atahorana ny ho avin’ireo karazany 93 amin’ireo gidro 105 ireo ka ny 89 no tena mampanahy amin’izany, izany hoe manodidina ny 88% ireto karazam-biby ireto.
Mba hiarovana ny ain’ireto biby ahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara dia misy ny paik’ady mandritra ny telo taona aroson’ny Conservation International. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny trano fonenana, ny fanatsaràna ireo voly fihinana eny ambanivohitra, ny fampivelarana ny fizahantany miaro ny tontolo iainana, ny ady atao amin’ny fihinanana hena fihaza. Tsy adino ihany koa ny fampandraisana anjara mivantana ireo tanàna manodidina sy ny fanentanana mifandraika amin’ny tontolo iainana eny anivon’ny vondrom-bahoaka isan-tsokajiny. Tsy mandeha fotsiny anefa ny fanatanterahana ny fandaharan’asa fa misy ny teti-bola tsy maintsy homanina amin’izany. Raha ny vinavinan’ity fikambanana mpiaro ny tontolo iainana ity dia vola hatrany amin’ny 5,7 tapitrisa dolara no ilaina hahatontosa an-tsakany sy an-davany ireo asa maro hosahanina ireo. Efa nilaza mazava moa ny Conservation International fa tsy mitoky be loatra amin’ny fitondram-panjakana Malagasy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.