Actualités

Varika Atahorana ho ringana ny 94 %-n’ireo misy eto amintsika


  • Zoma 02 Aogositra 2013

Ny 15%-n’ireo biby toy ny varika maneran-tany dia hita eto Madagasikara avokoa.

Loza mananontanona azy ireny anefa ireo fandringanana misy amin’ny faritra maro, indrindra fa ireo faritra arovana itoeran’ny olombelona. Fantatra ary izao fa ny 94%-n’ny varika eto amintsika dia atahorana ho ringana avokoa. Ho tohin’ny atrikasa notanterahina tetsy amin’ny Carlton tamin’ny taon-dasa ary natrehin’ireo tompon’andraikitra maro samihafa voakasika dia namoaka boky misy 95 takila mirakitra ireo paikady ho fiarovana ny varika eto amintsika ireto farany. Ny alarobia hariva teo no nampahafantarana ofisialy io boky io. Ao anatin’ny telo taona no kasaina hanatanterahana ireo paikady ao anatiny ka anisan’ny zava-kendrena sy lalim-paka ao anatin’izany ny mba hahazoana famatsiam-bola hiarovana ireo biby ireo ankoatra izay fiaraha-miasa rehetra azo hatao. Ezahina haparitaka hatrany ivelany io boky io raha araka ny fanazavana azo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT