Ahiana hitera-doza ho an’ny mpiara-monina ilay tany mihokatsa am-pitan’ny fasan-dRainiharo etsy Isoraka. Vokatry ny fahavakisan’ny fantson-dranon’ny Jirama no voalazan’ny mponina fa antony nahatonga io fihotsahana io. Efa nalan’ny Fokontany hiala amin’ireo toerana tena hatahorana kosa ireo mpivarotra amin’ny sisin-dalana.
Lakandrano mirefy 2 km no hanaovana asa tana-maro amin’izao fotoana izao ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo atsimondrano. Lelavola valo tapitrisa ariary avy amin’ny FID no hanaovana ny asa ka olona 95 isan’andro no manatontosa izany. Voakasik’izany manokana ireo vehivavy mananontena sy sahirana ara-pivelomana karamaina 2500 ariary isan’andro isan’olona miaraka amin’ny savony iray. Miasa mandritra ny ora dimy isan’andro izy ireo raha nanomboka ny faran’ny herinnadro teo ny asa. Marihina moa fa ny taona 2008 no efa nanomboka niara-niasa ny FID sy ity kaominina ity, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna.
Nihaona sy nifampiresaka ireo mpiasan’ny SIRAMA ao amin’ny fokontany Maromamy, distrikan’i Brickaville hatramin’ny omaly ny filoha lefitry ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita Roland Ratsiraka. Fihaonana izay nihainoany ny tarainan’ireo mpiasan’ity orinasa ity an-jatony tsy nandray ny droit de chomage-ny tao anatin’ny 18 volana. Efa tsy mianatra avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra ao amin’ity fokontany ity, araka ny vaovao voaray, raha efa tsy mipetraka any an-trano intsony ny sasany noho ny tsy fahaloavany ny hofantranon’olona.
Raikitra ny asa fandrindrana sy famerenana amin’ny laoniny ny alan-driaka any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Nosantarina tamin’ny fambolen-kazo izany nanomboka ny fiandohan’ny herinnandro teo ka anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’ny fanatontosana izany ireo vehivavy mpikambana eo anivon’ny fikambanam-behivavy 08 Martsa isam-pokontany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.