Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 16 Mey 2011


 Nindaosin’ny fahafatesana tao Antsirabe ny alin’ny sabotsy 14 mety teo ny zokilahin’ny Lietnà-kolonely Andrianasoavina. Polisy izy io. Andrasana raha hahazo fahafahana hanatrika ny fandevenana io iray tampo aminy io ity manamboninahitra, voatana am-ponja any Tsiafahy noho ny raharaha BANI io.

 

Tsy azo sotroina amin’izao ny rano amin’ny paompy any amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Tato anatin’ny tapa-bolana mahery no nisehoan’izany, araka ny vaovao voaray. Mivadika ho mena manopy mavo ny lokon’ny rano no sady misy fofona. Hentitra ny fanaraha-maso ireo ankizy zatra misotro rano mangatsiaka noho izany raha mahatsiaro fadiranovana ihany koa ny lehibe.

 

Tovolahy iray indray ny sabotsy lasa teo no voaendaka finday teny Analakely raha niantso an-tariby ny namany iray avy ao anaty taxi be. Araka ny nambaran’ilay tovolahy dia nipetraka nanoloana ny varavarankely izy. Rehefa niantso ilay namany anefa izy dia namoaka ny lohany tany ivelan’ny fitaratra noho ny fitatatatan’ilay vata fandrenesam-peon’ilay fiara. Vao mainka nanamora ny asan’ilay mpanao ratsy izany ka izao nafoy hatramin’ny finday izao.

 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT