Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 13 Mey 2011


Tsy marina ilay feo niely fa omen’ny Kaominina Antananarivo renivohitra hotantanin’ny tsy miankina ny tsenan’Anosibe. Fanambarana nataon’ny PDS Edgard Razafindravaha izany ny alarobia hisorohana ny fikorontanan-tsaina mety haterak’izany amin’ny mpivarotra. Nohamafisin’ny PDS moa fa antony hafa mihitsy no nanosika azy ireo hanisa ny mpivarotra rehetra manerana ireo tsena misy eto an-drenivohitra sy hampanao azy ireo ny fanavaozana ny antontan-taratasiny.

Mety hiazo an’i Afrika Atsimo indray i Andry Rajoelina aorian’ny diany tany Torkia sy Frantsa. Araka ny loharanom-baovao dia heverina amin’izay ny hahaterahan’ny fihaonany amin’ny filohan’i Afrika Atsimo, Jacob Zuma taorian’ny resaka nifanaovan’ny iraka notarihin’i Camille Vital tany an-toerana ny herinandro lasa iny, tamin-dry zareo ao amin’ny ANC antoko eo amin’ny fitondrana, tarihin’i Zuma rahateo.

Nihaona tamin’ny ankolafy Ravalomanana tao Bel’Air misy ny foiben-toeran’ity farany ny PSRI (Plate forme pour la stabilité et la reconnaissance internationale) tarihin’i Gilbert Raharizatovo. Miezaka mampitovy tadin-dokanga ny andaniny sy ny ankilany hisian’ny fifanantonana handaminana krizy.

Nangonin’i Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT