Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 10 Mey 2011


 Nandritra ny fankalazana ny Andron’ny Eorôpa omaly 09 may, dia manamafy i Leonidas Tezapsidis, ambasadaoron’ny Vondrona Eorôpeana eto Madagasikara, fa miankina amin’izay ho fanapahan-kevitry ny SADC momba an’i Madagasikara ny hevitr’izy ireo. Na izany aza dia manohy ny fanampiana fitsinjovana ny mahaolona ny Vondrona Eorôpeana.

 

Fizarana fanomezana ho an’ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’i Soanierana Ivongo no nentin’ny Croix rouge Malagasy nanamarihana ny andron’ny 08 Mey ny alahady lasa teo.  Fotsimbary sy ronono no natolotra tamin’izany ankoatra ny famatsiana rano fisotro madio, fotodrafitrasa efa natsangana, iray volana lasa izay. Asa fanadiovana ny tokontanin’ny hopitalibe ao Namahora, kosa no natao tao Morondava narahin’ny fizarana fanampiana toy ny ronono sy fotsimbary ho an’ireo marary ao.

 

Nisehoana fanafihana taksiborosy indray tany amin’ny RN34 anelanelan’Ambatolahy sy malaimbandy omaly maraina. Basy PA iray no nentin’izy ireo izay niisa 6. Avy any Morondava ho aty Antananarivo moa ity fiara mpitatitra ity no tratr’izao fanafihana izao. Araka ny vaovao azo dia voaendaka daholo na vola na firavaka na finday tamin’ireo mpandeha. Tsy fantatra aloha hatreto izay totalin’ny vola very fa raha ny tatitra azo dia nisy olona  nitondra vola an-tapitrisany tao amin’io fiara io.

 

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT