Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 06 Mey 2011


 Nihazo an’i Afrika Atsimo omaly ny praiminisitra teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Monima, Monja Roindefo. Araka ny nambarany teo ampiaingana teny Ivato dia nahazo fanasana ny tenany, saingy tsy nolazainy kosa ny olona hihaonany any an-toerana.

 

Tsy ny SECES no hanapa-kevitra ny fidiran’ny mpianatry ny oniversite, hoy i Pierre Andrianantenaina, filohan’ny antoko Farimbona ho an’i Madagasikara Vaovao. Fankan-kevitra ihany ny sendika, hoy izy, fa ny fivorian’ny filohan’ny oniversite enina miaraka amin’ny minisitry ny fampianarana ambony no manapaka izany.

 

Vita soa aman-tsara ary notokanana ny alarobia teo ny EPP Fiadanana rehefa nasiam-panamboarana nandritra ny roa taona. Namatsy vola ny Japoney raha ny Kaominina Antananarivo renivohitra kosa no nanao ny fampitaovana toy ny dabilio. Mitentina 80 tapitrisa ariary kosa ny vola lany tamin’izany.

 

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT