Tao anatin’ny 24 ora dia niverina an-tanindrazana ny delegasiona notarihin’i Andry Rajoelina raha nilaza ity farany fa hihaona amina filoham-pirenena maromaro teo am-piaingana nihazo an’i Zambia, izay filoha mitarika ny Troika SADC amin’izao fotoana. Ny filoha lefitra zambianina no nandray azy tany an-toerana.
Manodidina ny 8% amin’izao fotoana tahan’ireo olona tratry ny aretina Hepatite eto amintsika. Ny 5%-n’io salan’isa dia mponina eto an-tanàn-dehibe avokoa raha mponina any ambanivohitra ny ambiny. Mpiasam-panjakana miisa 130.000 no hatao vaksiny maimaimpoana hiadiana amin'ity aretina ity manomboka amin’ity herinandro ity ka anisan’izany ireo eo anivon’ny fiadidian’ny tetezamita.
Vitsy ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny raharaham-pirenena maneran-tany. Nosy dimy no voakasik’izany ka anisan’izany isika eto Madagasikara. Anisan’ny votoatin’ilay atrikasa notontosain’ny vovonana nasionalin’ny vehivavy mpanao pôlitika teto an-drenivohitra io, ny faran’ny herinnadro teo.
Mbola hitohy hatramin’ny faran’ity volana mey ity ny firotsahan’ny ranon’orana eto an-drenivohitra araka ny nambaran’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampasampito raha somary niato kely izany ny faran’ny herinandro teo. Zavatra tsikaritra raha tsiahivina dia somary nangatsiaka avy eo nafana izay ny andro nandritra ny roa andro. Mangatsiaka ny maraina raha mafana manevokevoka ny antoandro ary miverina mangatsiaka indray amin’ny hariva.
Miparitaka eny an-tsena eny indray amin’izao fotoana ireo karazana entana lany daty. Anisan’izany ireo karazana chocolat anaty boaty miloko mena miaraka amin’ny bisikoitra. 100 Ar monja no vidiny raha avo dimy heny noho izany no tena vidiny ara-dalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.