Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 27 Aprily 2011


Miaramila mpampandry tany iray no namoy ny ainy ary halevina anio alarobia tany Belo Tsiribihina ny alatsinain’ny paska lasa teo. Araka ny vaovao voaray dia nanelanelana adin’olona roalahy iraitampo izay niady tany ity miaramila ity. Sorena noho izany ilay zoky lahimatoa ka nitifitra ilay miaramila avy hatrany raha olona iray hafa ihany koa no naratra mafy. Efa eo am-pelatanan’ny tomponandraikitra ny raharaha.

 

Teraka tao am-piangonana ilay vehivavy nohamasinina fanambadiana. Io no nitranga tany Antsiriribe Ambohimandroso. Mpivady 200 no nohamasinina tao am-piangonana ny Sabotsy 23 aprily lasa teo. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ny fotoana ary tamin’ny roa tolakandro vao nifarana. Fahasoavana roa no azon’ity fianakaviana ity satria dia teraka ilay ramatoa ary tao an-tranon’ny mompera no natao ny fombafomba famelomana.

 

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fankalazana ny fetin’ny paska tany amin’ny distrikan’Ambilobe. Anisan’ny nahavory olona marobe indrindra ilay hazakazaka am-bisikileta natao tamin’ny lalana mirefy 60 km nampitohy ity distrika ity tamin’Ambanja. Olona folo tamin’ireo an-jatony nandray anjara no nivoaka mpandresy raha tovolahy kely vao 18 taona monja no nibata ny laharana voalohany.

 

Paska nieren-doza kosa ny tany amin’ny distrikan’Ambositra. Nangotraka ny savika notontosaina tao amin’ny kianjan’ny Firaisankina. Ny masoandro nody no nampalahelo, indrindra ho an’ireo vahiny. Nampanantena moa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana fa hanome toerana bebe kokoa ity hetsika ara-kolontsaina iray mampalaza ny faritra Amoron’i Mania ity manomboka izao ho fampandrosoana ny tanàna.

 

Renim-pianakaviana iray nitondra fiara ary handeha hody hihazo an’i Itaosy iny no lasibatry ny mpangalatra roalahy afak’omaly alatsinain’ny paska hariva. Teny amin’ny Cenam no nisehoan’izany. Mody nampiresaka ilay Ramatoa ny iray raha naka ny poketra teo amin’ny seza ilany kosa ny iray izay marihina fa tsy nisahirana tokoa satria nivoha soa aman-tsara ny varavarana. Rehefa izany dia lasa izy roalahy tokony ho 14 sy 16 taona eo ho eo.

 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT