Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 26 Aprily 2011


Ny savik’omby kosa indray no tena nalaza tao an-drenivohitry ny Faritra Amoron’i Mania omaly. Tao amin’ny kianjan’ny Firaisankina no nanatontosana izany izay tena nahavory olona marobe tokoa. Tsy latsa-danja tamin’izany ny niseho ny alahadin’ny Paska.

 

Velon-taraina noho ny tsy fisian’ny tsena ny ankamaroan’ireo mpivarotra atody teto an-drenivohitra. Nihena tsy toy ny isan-taona mantsy ny mpividy atody na dia fety aza ny andro araka ny fanadihadiana natao noho ny fiakaran’ny vidiny ho 400 ariary mahery. Toraka izany koa ireo mpivaro-borona. Ratsy ny tsena tamin’ny ankapobeny raha nifanohitra tamin’izay no noeritreretin’izy ireo.

 

Saika tamin’ny 10 ora alina ny ankamaroan’ny mpanety sy ny mpanao volo vao nikatona ny andron’ny sabotsy lasa teo. Nahatafiditra iray hetsy Ariary farafahakeliny ny mpanao volo iray araka ny fanadihadiana natao eny fa na dia ireo tsy dia be mpahafantatra aza. Toraka izany koa ny mpanety, indrindra fa ho an’ny ankizy sy ny lehilahy. Ny sabotsy lasa teo  mantsy vao nibosesika nanety volo avokoa ny ankamaroan’ny rehetra noho ny tsy fananana fotoana amin’ny andavanandro.

 

Niisa 3000 ireo mpitandro ny filaminana naparitaka nanerana ny renivohitra omaly, nitandroana ny fandriampahalemana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny paska. Niara-nifandrimbona nifanome tanana nandritra izany ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila. Na izany aza mbola betsaka ihany ireo faritra hita fa nanjakan’ny gaboraraka na nampitohana ny fifamoivoizana izay tena nampikolay tokoa.

 

Nafana ny fetin’ny paska niarahana tamin’ny orinasa star tao an-drenivohitr’i Sofia omaly. Anisan’ny tena nahasarika olona betsaka, indrindra ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Tianjama, ankoatra ilay fifaninana niaraka tamin’ny orinasa star izay nizarana loka marobe ho an’ny mpandray anjara tokoa.

Nirotsaka indray ny orana teto an-drenivohitra sy ny manodidina ny alahady sy omaly alatsinainy hariva. Niharo havandra ny omaly ary nahery ny fipoaky ny varatra. Tetsy anosibe ampitan’ny fivarotan-kena no nisehoan’izany ary olona telo mianaka no saika niharany. Tsy nisy ny aina nafoy.
 
 
Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT