Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 22 Aprily 2011


Miomana amin’ny fanaovana sonia fanohanana ilay fanambarana nataon’ny Ankolafy telo, amin’ny hananganana tetezamita iraisana ny Grand Sud Est. Rahampitso sabotsy maraina no hatao ny an’i Manakara ka ao amin’ny Sidi Hotel no ho ambohipihaonan’ireo fikambanana samihafa amin’izany, ny tolakandro kosa ny ao Vohipeno. Mitohy amin’ity anio ity kosa ny ao Toamasina.

 

Nisy andian’olona manao fanamiana sivily nentina 4x4 fotsy niditra tao amin’ny toeran’ny ALAMA, orinasan-taozavabaventy an’ny Tiko, eny Ambohimahitsy omaly hariva. Miaramila no fahitan’ny teny manodidina azy ireo, satria mbetika no miantso kapiteny. Nanao inona amin’ny andro alina ? Amin’izay toa tsy mahalala ny anton-dian’izy ireo teny na ny fokontany na ny zandarin’Ambohimangakely.

 

Hizara fanafody maimaimpoana hiadiana amin’ny aretina bilarziozy ny ministeran’ny fahasalamana afaka tapa-bolana. Fanafody izay ezahina haparitaka amin’ny faritra maro hahafahana miaro ny mponina.

 

Mpizahatany manodidina ny 250.000 isa no andrasana ho tonga eto amintsika amin’ity taona 2011 ity. Nambaran’ny minisitra Andriamandavy VII fa hanaovana ezaka manokana ny fitadiavana paikady hahafahana mitazona azy ireo toy ny fanohizana hatrany ilay tsy fandoavana visa ho an’ireo mpizahatany mijanona mandritra ny iray volana amin’ny faritra iray eto amintsika.

 

Hampidirina amin’ireo tsena folo lehibe eto an-drenivohitra avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely sy Mahamasina araka ny nambaran’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Aorian’ny fahafenoan’ny toerana vao hitady toeran-kafa izy ireo. Efa mandeha ny fakana ny anaran’ireo mpivarotra amoron-dalana manam-paniriana ny hiditra anaty tsena amin’izao fotoana izao.

 

Ahiana hitera-doza ny fihotsahan’ilay tany eo ambanin’ilay arabe mihazo ny lalana mankany Miandrarivo sy Mandroseza iny, ampitan’ny fiangonana Fjkm Ambatoroka. Tsy hita avy eny ambony mantsy izany, araka ny vaovao voaray, raha mihakaoka kosa ny tany ao ambany. Araka ny fantatra anefa dia fiara mandroso sy miverina roa milahatra no indray mifamezivezy amin’iny lalana iny mandritra ny tontolo andro.

 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT