Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 18 Aprily 2011


Nahatratra 47 isa ny asan-jiolahy nitranga teto an-drenivohitra tao anatin’ny telo volana, izany hoe nanomboka ny volana janoary lasa teo. Manodidina ny 86 isa ireo jiolahy voasambotra vokatr’izany, vokatry ny ezaky ny mpitandro ny filaminana. Vondron-tobim-paritry ny zandary miisa 10 no nahazoana io vokatra io ary saika asa fanafihana namoizana ain’olona avokoa ny ankamaroan’izany.

 

Mpiasan’ny fahasalamana miisa 20.000 no indray hohetsehina manomboka anio alatsinainy 18 Aprily mandritra ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Tanjona hotratrarina ny mba hahafahana mandray an-tanana ny fahasalaman’ireo zaza tsy mbola vita vaksiny manerana ny Nosy izay mahatratra 13 % be izao.

 

Lelavola 70 tapitrisa ariary mahery araka ny fantatra no betsaka indrindra tamin’ny lasan’ireo jiolahy mpangalatra nandritra ny asa fanafihana niseho tany amin’ireo lalam-pirenena maro isan-tsokajiny tato anatin’ny telo volana. Anisan’ny goavana indrindra tamin’izany no niseho tany amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ny 24 Martsa lasa teo.

 

Hisokatra manomboka anio alatsinainy ilay ivontoerana vaovao handraisan’ireo zokiolona vola fisotroan-dronono etsy Isoraka. Hiavaka tsy ho toy ny mahazatra ity ivontoerana ity araka ny fantatra satria hisy ny daty lehibe sy mahitsy izay hamaritra ny filaharan’ireo zokiolona, filaharana izay ho tokana ihany fa tsy telo intsony toy ny teo aloha. Hisy ihany koa ny fametrahana seza sy karazam-pitaovana raitra maro isan-karazany.

 

Mbola mitohy hatrany ny halatra kisoa eny amin’iny faritra Itaosy, Atsimondrano iny amin’izao fotoana izao. Tato anatin’ny roa volana izao no tena nampahazo vahana azy io araka ny fitarainana voarain’ny mpitandro ny filaminana saingy tsy mbola nisy mpanao ratsy sarona na dia iray aza. Amin’ny fomba mampalahelo hatrany no hanaovan’ireo mpangalatra ny asa ratsiny. Misy amin’ireo kisoa no fahanany poizina ary vonoiny eo amin’ny tanàna niompiana azy ihany raha misy koa ireo batainy velona saingy tsy mahaloa-peo intsony.

 

Mitsoaka an-daharana noho ny firongatry ny asan-jiolahy avokoa ireo mpiasam-panjakana voatendry hiasa any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Anisan’izany ny mpampianatra sy ny mpitsabo. Vokany, maro amin’ireo sekoly sasantsasany no efa nikatona indrindra ny amin’ireo toerana lavitra andriana. Tsy latsa-danja amin’izany ny hopitaly izay zary lasa trano fialokalofana sisa noho ny tsy fisian’ny mpitsabo. Antso avo, araka izany, no hatao amin’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy.

 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT